.RU

2012 fandaharam-potoana fanofanana eo anivon’ny ivo-toeram-pampianarana maneran-tany ho an’ny asa fanompoana amin’ny maha-kristiana


IICM-MALAGASY-IOUM-MIN PERS

2012



FANDAHARAM-POTOANA FANOFANANA EO ANIVON’NY IVO-TOERAM-PAMPIANARANA MANERAN-TANY HO AN’NY ASA FANOMPOANA AMIN’NY MAHA-KRISTIANA



CRE104



FITORIANA NY FILAZANTSARA AMIN’NY ANKIZY



Nosoratan’i



Dr Linda Mei Lin Koh



Lehiben’ny Sampana Miadidy ny Ankizy



Foibe Manerantany



NY TANJON’NY FAMPIANARANA



Ity fampianarana ity dia natao hanampiana anao hianatra ny:

  1. Fomba fitaomana ny ankizy ho eo amin’i Jesosy sy ny fanampiana azy ireo hanana fifandraisana be fitiavana sy tia manompo miaraka Aminy.

  2. Fomba fiasa mahomby hanampiana ny ankizy hivelatra amin’ny fianarana manan-danja sy fiainam-bavaka.

  3. Hevitra isan-karazany hitaomana ny ankizy tsy mpiditra am-piangonana.

  4. Fomba fikarakarana fandaharam-potoana fitaomana ny ankizy avy any ivelany.


FAMPIHARANA TAKIANA TSY MAINTSY ATAO :



CRE 104 Mampianatra ny Leson’ny Sekoly Sabatan’ny Ankizy mandritra ny Sabata efatra fara-fahakeliny.



BOKY FILAN-KEVITRA



Schultz, Thom and Joani. Why Nobody Learns Much of Anything at Church; and How to Fit it. Loveland, CO: Group Publishing, 1996. (Misy horonantsarimihetsika mifandraika amin’izany.)

Barna, George. Transforming Children into Spiritual Champions. Ventura, CA: Regal

Books, 2003.

SOSO-KEVITRA NY AMIN’NY ZAVATRA TAKIANA AMIN’NY MPIANATRA

  1. Manatrika tsy tapaka ny fampianarana ary mandray anjara amin’ny ady hevitra.

  2. Mamaky ireo boky filan-kevitra.

  3. Manampy amin’ny fikarakarana ary mandray anjara amin’ny fandaharam-potoana fanaovana asa fitoriana amin’ny ankizy any ivelany, na manao famelabelarana ao anatin’ny seminera fanofanana karakarain’ny Sampana Miadidy ny Ankizy na ny Sekoly Sabata.

DRAFITRA

  1. Fanaovana Asa Fitoriana amin’ny Ankizy: Mitaona Ny Ankizy Ho Eo amin’i Jesosy.

  2. Ny Fomba Fikarakarana Fandaharam-potoana Fanaovana Asa Fitoriana amin’ny Ankizy any Ivelany.


FIZARANA 1



FANAOVANA ASA FITORIANA AMIN’NY ANKIZY: MITAONA NY ANKIZY HO EO AMIN’I JESOSY



Ny ray aman-dreny Kristiana rehetra dia samy te hitaona ny zanany ho eo amin’i Jesosy. Ny ankizy no ho avintsika. Ny ankizy no ho avin’ny fiangonana. Na izany aza anefa dia tokony hanaiky isika fa ireo fiovana misy ao anatin’ny kolontsaina hiainantsika ankehitriny dia namolavola ankizy miara-taona vaovao, izay mametraka fihaikana lehibe kokoa ho an’ny mpitarika sy ny mpampianatra ny fampidirana azy ireo ho amin’ny zava-panahy.

Ny ankizy ankehitriny dia maniry fatratra ny zavatra haingana: sakafo vita haingana, asa vita haingana, fankasitrahana mora azo, ary fitomboana haingana. Izy ireo ihany koa dia mahafehy ny tontolon’ny elektronika manomboka amin’ny solosaina ka hatramin’ny fifandraisan-davitra, kapila mangirana (CD-Rom sy DVD), ary ny “Play Stations” (kilalao atao amin’ny solosaina na amin’ny fahitalavitra.) Vitan’izy ireo ny manangona fahalalana maro na dia tena mbola zaza aza izy.

Indrisy anefa fa nandray fomba amam-panao mifangaro ihany koa ny ankizy ankehitriny. Ny zavatra mety amin’ny trangan-javatra iray dia tsy voatery ho mety amin’ny hafa. Io taranaka vaovao io dia manana ny sarin’ireo mpiady mahery setra, mpihira mozika mavesatra (rock), ary mpilalao sarimihetsika malaza alain-tahaka. Eo amin’ny toerana izay misy azy ireo no tokony hanehoantsika an’i Jesosy ho ohatra alainy tahaka.

Na izany aza anefa dia mbola tian’i Jesosy sy omeny lanja ny ankizy, ary raha olon-dehibe be fitiavana no mitarika azy mialoha eo amin’ny fiainany, dia hamaly ny antson’i Jesosy amin’ny famonjena izy ireo. I Ellen G. White dia nandefa fahazavana fanampiny ny amin’ny maha-zava-dehibe ny ankizy any amin’ny fanjakan’ny lanitra: “Tamin’ireo ankizy izay nentina nifampikasoka tamin’i Jesosy no nahitany lehilahy sy vehivavy izay tokony ho mpandova ny fahasoavany sy votoatin’ny fanjakany, ary ny sasany tamin’izy ireo dia ho tonga martiora noho ny Aminy. Fantany fa hihaino Azy ireo ankizy ireo ary hanaiky Azy ho Mpanavotra azy ireo, manana fahavononana mihoatra lavitra noho ny an’ny olon-dehibe…” Eny tokoa, ry ray aman-dreny, ry mpampianatra, ary izay rehetra miara-miasa amin’ny ankizy, zava-dehibe ny fianaran’ny fiangonana mamantatra ny filàn’izy ireo sy ny fiezahana mikatsaka fomba ahatafitana ny hafatra amin’ireo ankizy ao anatiny sy ivelan’ny fiangonana.

FANEHOANA AN-TSARY IREO MPINO EO AMIN’NY FIARAHA-MONINA

Ny Dr. Ralph Neighbour, mpanonta ny gazety boky “Cell Church”, dia nampiasa ity fanehoana an-tsary manaraka ity hanazavany ny toerana misy ny olona izay tsy mbola tonga ao amin’ny finoana an’i Jesosy.


Karazany B

2 3



Baiboly Vatana

az

Fiainana





Karazany A


Ireo olona eo amin’ny ampahany 5 no tena lavitra indrindra an’Andriamanitra. Izy io no maneho ireo vondron’olona be dia be izay tsy mahafantatra ny Filazantsara. Ny vondrona miha-kely kokoa aseho eo amin’ny ampahany 4, dia maneho ireo olona izay nandre ny Filazantsara kanefa kosa tsy nandray izany noho ny antony isan-karazany. Mety manohitra ny Filazantsara izy ireo noho ny zavatra izay hitany fa tsy mifanaraka amin’izany eo amin’ny fiainan’ny Kristiana, na eo amin’ny fiainam-piangonana. Mety tsy liana tsotr’izao fotsiny ihany koa izy. Ireo vondrona roa ireo no antsoina hoe “Tsy Mpino Karazany B”.

Ireo ampahany telo eo an-tampon’ilay telozoro kosa dia maneho ireo olona izay azo lazaina fa mifandray amin’ny fiangonana ihany. Mety mahafantatra olona ao am-piangonana izy, na mety tonga ao am-piangonana, kanefa mbola nandray fanapahan-kevitra. Ireo no “Tsy Mpino Karazany A” ary raha dinihina lalina kokoa dia ao amin’io ampahany io avokoa ny anakabeazan’ny mpino rehetra.

Tafiditra ao anatin’ireo vondrona ireo ny ankizy. Misy ankizy mbola tsy nandre ny momba an’i Jesosy mihitsy, noho izany dia tsy mahalala ny Filazantsara izy ireny. Misy ihany koa ireo izay efa mba nentina tany am-piangonana na tany amin’ny Kristiana, kanefa nitodi-damosina ary nanapa-kevitra ny tsy hanara-dia an’i Jesosy. Izy ireny no “Tsy Mpino Karazany B”.

Ny ankabeazan’ireo ankizy izay mameno ny Sekoly Sabatantsika sy ny fandaharam-potoana rehetra dia ao anatin’ny “Tsy Mpino Karazany A”. Manana fifandraisana amin’ny olona ao am-piangonana izy ireny na mankao am-piangonana ny ray aman-dreniny.

Ho tsikaritrao fa ireo “Tsy Mpino Karazany A” dia handray ny hafatry ny Filazantsara amin’ny alalan’ny fomba roa. Ilay ampahany 2 no maneho ireo ankizy izay mahazo fampianarana ara-Baiboly ary izy ireo no tonga tsy tapaka ao amin’ny Sekoly Sabata mba handre ny momba an’i Jesosy. Ilay ampahany 3 no maneho ny endrika hafa isehoan’ny fampianarana ao am-piangonana, izay amin’ny alalan’ny fiainam-piangonana. Rehefa mijery ireo olon-dehibe mpino miaina amin’ny fivavahany ny ankizy, dia misintona hevitra momba ny fahamarinan’ireo zavatra izay nampianarina azy.

Zava-dehibe ny fampifanarahana ny fampianaran’ny Baiboly amin’ny fampianaran’ny Tenan’ny fiangonana. Ohatra: tsy misy antony ny fampianarana ny ankizy ao amin’ny Sekoly Sabata hoe tokony hifankatia ny Kristiana, raha toa ka maro ny ady misy eo amin’ny samy olon-dehibe mambran’ny fiangonana. Tsy mahomby ny vavaka raha toa ka tsy nisy olona nahazo valim-bavaka mihitsy tao am-piangonana.

Hita fa nahomby ny fiangonantsika tamin’ny fampahafantarana ny Baiboly tamin’ireo ankizy, tamin’ny alalan’ny Sekoly Sabata voalamina tsara. Mbola ampahany amin’ny dingana fitoriana ny Filazantsara ihany izany. Na izany aza anefa, ny fiangonana dia tsy maneho amin’ny ankizy hoe i Kristy dia miasa eo amin’ny fiainan’ny olon-tsotra. Ny Tenan’i Kristy dia tsy maintsy maneho fa mifankatia isika, mifanohana, ary mifamela heloka tahaka ny nasehon’i Jesosy antsika.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  1. Miombon-kevitra amin’ny fanehoana an-tsary nataon’i Ralph Neighbour mahakasika ny tsy mpino ve ianao? Hazavao.

  2. Inona no azonao atao amin’ny ampahany 2 sy 3 mba hampisy fiantraikany amin’ireo ankizy izay vao nifankazatra tamin’ny fiangonana misy anao?

MIALOHAN’NY HANOMBOHANAO…



Sarobidy amin’Andriamanitra ny ankizy ary te hitaoana azy ireo hanaraka an’i Jesosy isika. Mora amintsika ny miroso amin’ny fanaovana drafitra mahafinaritra ho an’ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny ankizy, ary adinontsika fa ny ankizy dia efa olona iray mahaleotena. Tsy olon-dehibe nakelezina izy ireny, fa kosa manana ny filàny manokana, ny tahony, ary ny fanontaniany izay tokony hosaintsainina. Marefo dia marefo ihany koa ankizy, ary manana andraikitra isika handinika tsara sy hivavaka mafy ho an’ireo fomba fitoriana ny Filazantsara amin’izy ireny.

  1. NY FILAN’NY ANKIZY: Ny ankizy dia olona manana ny filàny ara-pihetsehampo, ara-tsosialy, ara-batana, ara-panahy, ary ara-tsaina. Mila fitiavana sy fikarakarana avokoa izy rehetra ireny. Mila fahalalana izy hilalaovany, hikarokarohany, hamoronany, ary hilazany izay tiany ambara. Mila ampianarina azy ny tombambidy tena marina, ary ampiatrehana fihaikana izy hianatra sy hifehy fahaiza-manao sy fahalalana vaovao. Rehefa eo ambany fiadidiantsika izy ireny dia mila manolotra tontolo voaaro ho azy isika, izay toerana ahatsapan’ny ankizy fa voaray tsara izy, manana ny lanjany, ary ekena amin’ny maha-izy azy.

Ny mpikarakara sy ny mpampianatra dia mila manorina fifandraisana amin’ny fo feno fahatsorana sy fifandraisana mafana amin’ny ankizy. Na izany aza anefa, zava-dehibe ny tokony hampirindra sy hampifanaraka tsara io fifandraisana io, ka atao azo antoka fa tsy mahazo tombony avy aminy ny olon-dehibe.

Zava-dehibe ny fihainoana ny ankizy. Teny izay mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy ampiasaina, ary mampiasà ohatra mivaingana hanazavana hevitra iray. Ataovy azo antoka hoe mijery ny masony ianao rehefa miresaka amin’izy ireo.

JEREO TSARA!

  1. FIAROVANA NY ANKIZY: Ny fiarovana ara-batana ho an’ny ankizy dia manan-danja mihoatra noho ny zava-drehetra. Ataovy azo antoka fa ny efitrano izay ampiasain’izy ireo dia azo antoka, madio, ary voaro amin’ny loza. Tokony hisy olon-dehibe mpampianatra sy mpanampy ampy, mifanaraka amin’ny isan’ny ankizy hiandraiketanareo. Jereo tsara ny fivoahana sy ny fidirana ary ny fivoahana raha sanatria may ny trano. Tokony hananana fitaovana famonjena voina raha sanatria misy maratra kely.

Zava-dehibe tokoa ny fitanana an-tsoratra mirakitra ny anarana, ny adiresy, ary laharan-telefaonin’ireo ray aman-dreny sy ny olon-dehibe mpikarakara, miaraka amin’izay tsara ho fantatra mahakasika ny fahasalaman’ilay zaza. Raha toa ianareo ka mitondra ireo ankizy mivoaka ivelan’ny toerana misy ny fiangonana mba andeha hitsangatsangana any ankalamanjana, dia ataovy azo antoka fa mahazo “alalana” an-taratasy misy ny sonian’ny ray aman-dreny ianareo.

JEREO TSARA!

Ny fiangonana ihany koa dia tokony hanana fitsipika mifehy ny fiarovana ny ankizy. Raha toa ka mbola tsy misy izany dia tokony hanangana iray ny fiangonana. Tokony ho tafiditra ao anatin’izany tari-dalana izany ny taratasy fanambaràna sy fanamarihana andininy avy amin’ny fitsipika, soniavin’ireo mpanampy mirotsaka an-tsitrapo. Ny mpirotsaka an-tsitrapo rehetra miara-miasa amin’ny ankizy dia tokony handalo fihofanana mahakasika ny olana eo amin’ny resaka fiarovana ny ankizy. Ireto tari-dalana manaraka ireto, izay nalaina avy tamin’ny tatitra navoakan’ny “Home Report” mitondra ny lohateny hoe “Safe from Harm” (Voaro tamin’ny Loza), taorian’ny “Children Act” ny taona 1989, dia tena manampy be tokoa amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny olon-dehibe izay miara-miasa aminy.2

TARI-DALANA HO AN’NY FOMBA FANAO VOARO

Fifanakalozan-kevitra

:

  1. Ahoana no fomba ahafahantsika mamporisika ny ankizy hilaza raha toa ka nanaovan’ny olon-dehibe iray fihetsika izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy na niharan’ny fanararaotana izy?

  2. Isaky ny inona ny fiangonana no tokony hikarakara fandaharam-potoana fanofanana ho an’ireo mpirotsaka an-tsitrapo miara-miasa amin’ny ankizy?

  3. Ekenao ve ny fiheverana fa ny ankizy dia “olon-dehibe nakelezina fotsiny”? Hazavao ny hevitrao.


ZAVATRA MITONDRA HERY MIASA MANGINA



Tsy mandray fanapahan-kevitra hanaraka an’I Kristy ny ankizy raha toa ka tsy misy na inona na inona eo anatrehany. Maro ny zavatra izay mitondra hery miasa mangina amin’ny ankizy hahatonga azy hanaiky an’i Jesosy. Andeha ho zahana ny tsirairay avy amin’ireny zavatra mitondra hery miasa mangina mahery vaika amin’ny ankizy ireny.

  1. NY FIANAKAVIANA. Ny fianakaviana dia tsy nataon’Andriamanitra ho fantsona mpitondra sakafo sy fiarovana fotsiny ihany. Izy io dia natao ho fiarahamonina mifanakaiky sy mafana, ary ao ano hianaran’ny ankizy ny fahaiza-miaina miaraka amin’ny hafa, ny tombambidy sy ny fomba amam-panao, ary ny soa toavina eo anivon’ny fiarahamonina. Hianaran’izy ireo ihany koa ny finoan’ny fianakaviana ny momba an’Andriamanitra. Ny ray aman-dreny dia antsoin’Andriamanitra hampita ny tantara mahakasika Azy sy ny fampianarany amin’ny zanany.

Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsar any zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-trano ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny andrinao.” (Deotoronomia 6:5-9)



Ny ankizy tao anatin’ny fiarahamonina tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nianatra ny momba an’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany. Rehefa nambara tamin’izy ireo tao anatin’ny fetim-pianakaviana izany, tamin’ny sorona sy ny fety masina, dia nampahatsiahivina azy ireo matetika ny fomba nitarihan’Andriamanitra ny razambeny namakivaky ny Ranomasina Mena sy ny Onin’i Jordana, ary ny fomba nidiran’izy ireo tamin’ny Tany Nampanantenaina.

Eny tokoa, ny ankizy dia mianatra ny momba an’Andriamanitra ao anatin’ny tontolo izay ahitany fomba fiaina Kristiana hiainana manodidina azy. Mora manaiky ny fampianaran’ireo ray aman-dreniny sy ny finoany izy ireo rehefa mahita azy ireo “manao izay lazainy.”

Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fampianaran’ny ray aman-dreny ny momba an’Andriamanitra i Elle G.White:

“Ny lesona voalohany izay tsy maintsy ampianarina ny ankizy dia ny hoe Andriamanitra no Rainy. Izany lesona izany dia tokony omena azy ireo ao anatin’ny fahazazany. Tokony ho tsapan’ny ray aman-dreny fa tompon’andraikitra izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny fanazarana ny zanany amin’ny Rainy any an-danitra... Ny hoe Andriamanitra dia fitiavana no tokony ampianarina amin’ny lesona tsirairay avy.” Child Guidance, t.487

Ao amin’ny fianakaviana no hianaran’ny ankizy voalohany ny momba ny fitiavana sy ny fahatokiana. Rehefa maneho fitiavana amin’ny zanany ny ray aman-dreny, mihaino azy, manokana fotoana iarahana milalao sy mifaly aminy, manome lanja azy, dia mampifandray ny zanany amin’ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo. Izany no hanangana fototra izay ahatonga ny ankizy hanolotena ho an’i Jesosy.

  1. NAMANA. Ny ankabeazan’ny ankizy izay manaiky an’i Jesosy dia efa nanana namana Kristiana talohan’izany. Matoky an’i Jesosy izy satria matoky ny namany. Noho izany, ny ankizy dia afaka milaza ny momba an’i Jesosy amin’ny ankizy hafa.

Tao anatin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe “Shouting in the Temple” (Tabataba tao am-piangonana) no nanamafisan’i Lorna Jenkins fa “ny dingana voalohany hitaomana ny ankizy ho eo amin’i Kristy dia ny fanombohana mifandray amin’izy ireo.”3 Ny finamanana no mitarika ny ankizy hamonjy Sekoly Biblikan’ny Fialantsasatra rehefa manasa azy ho any ny namany. Ny finamanana no mahasarika ny ankizy hamonjy ny Oran’ny Tantara, Lasin’ny Baiboly, ary fandaharam-potoana hafa.

Tany Argentine no nahitako ankizy kely iraikambinifolo taona nitaona ankizy iray folo taona ho an’i Kristy. Rehefa nifarana ny batisa dia namihina ilay namany iraikambinifolo taona ilay zazalahy ary nilaza hoe: “Tiako ianao. Afaka mihaona aminao ve aho anio alina?” Nanomboka teo ny finamanana vaovao.

Mpinamana be i Jeremy sy Gary. Rehefa nirava izy ireo indray andro, dia nanontany an’i Gary tamin-kafaliana i Jeremy nanao hoe: “Hitanao, manana Vondron’ny Baiboly izahay ao am-piangonanay amin’ny Zoma alina ho avy izao. Te ho any ve ianao?”

“Fa inona izany Vondron’ny Baiboly?” hoy i Gary nanontany somary gaga.

“Vondron’ankizy tahaka antsika izany. Feno zavatra manita-tsaina be dia be atao amin’izany. Mihira sy mihaino tantara isika. Misy asa-tanana sy lalao ihany koa atao any. Tongava dia ho hitanao!” hoy i Jeremy namaly sady nandresy lahatra.

Nanomboka tamin’io fotoana io i Gary dia tsy tapaka mihitsy tamin’ny fanatrehana ny Vondron’ny Baiboly. Amin’izao fotoana izao izy dia mambran’ny fiangonana efa vita batisa. Izany hoe, i Jeremy sy Gary no tanora mpitarika ny vondrona kely mpiara-mivavak’izy ireo. Izany no vokatry ny Asa Fitoriana avy amin’ny Finamanana!

Manohana tanteraka izany tranga izany ny zavatra hita avy tamin’ny “Barna Research” izay namintina hoe: “ny hery miasa mangina avy amin’ny ankizy mitovy taona dia toa maneho izay mihatra amin’ny ankabeazan’ny ankizy ao anatin’ny sokajin-taona 5 hatramin’ny 8 any Amerika.”4 N izany aza anefa, “arakaraky ny maha-lehibe ny ankizy no lasa mahavariana sy mamparefo azy eo anatrehan’ny hery miasa mangina ivelan’ny fianakaviana, indrindra avy amin’ny namana.”5

Tao anatin’ny bokiny izay tena niavaka, mitondra ny lohateny hoe “The Four Loves” (Ireo Fitiavana Efatra), no niresahan’i C.S.Lewis mahakasika ny finamanana tsara sy ratsy. Nomarihiny fa io fanomezam-pahasoavana mahafinaritra mahay minamana io dia afaka mitondra fahafinaretana sy fifaliana eo amin’ny fiainantsika, kanefa ihany koa mety hampiala antsika amin’Andriamanitra.

Eny tokoa, aza tsinontsiniavina ny hery miasa mangina avy amin’ny naman-janakao. Hita fa izy ireny dia mitondra fiantraikany tsara sy ratsy eo amin’ny ankizy. Hita fa ny namana dia maharesy lahatra ny ankizy sy ny tanora hisafidy ny hampiasa zava-mahadomelina, alikaola, fifohana sigara, firaisana ara-nofo mialohan’ny fanambadiana, ary herisetra. Ny namana ihany koa anefa dia afaka mitaona ny ankizy hanatona sy hianatra momba ny fitiavan’i Jesosy.

D. MPIANAKAVIN’NY FINOANA. Ny fianakaviana dia tsy natao hampianatra sy hanabe ny zanany hidera an’Andriamanitra mitokatokana. Mandray anjara amin’izany ny mpianakavin’ny finoana iray manontolo.

Ny olona tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia mifanampy amin’ny fikarakarana ny vokatra. Ny ankizy sy ny olon-dehibe ihany koa dia mandray anjara amin’izany hetsika izany. Rehefa vita izany dia miara-mankalaza ny Fetin’ny Tabernakely izy ireo,6 ary misaotra an’Andriamanitra sakafo ho azy ireo indray mandritry ny taona manaraka.

Indraindray ny iray tanana dia miara-miakatra any Jerosalema mba hankalaza ny fety lehibe. Tadidio fa i

Jesosy dia nanao dia lavitra niaraka tamin’ny rainy sy ny reniny ho any Jerosalema, mba hankalaza ny Fetin’ny Paska. Rehefa vita izany dia tsy niverina nody niaraka tamin’izy ireo Izy. Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana moa no mba nahavitan’i Maria sy Josefa nandeha lavitra nandritry ny iray andro manontolo kanefa tsy tsapany akory hoe tsy niaraka taminy ny zanany 12 taona?7

Raha toa ianao ka efa mifankazatra amin’ny fianakaviana izan-karazany eo an-tanàna dia ho tsapanao ny anton’izany. Mifampiambina ny fianakaviana rehetra eo an-tanàna. Ao anatin’ny “foko” iray avokoa ny ankizy rehetra. Afaka mandendeha amin-kalalahana eny amin’ny fianakaviana rehetra eny izy ireo. Raha toa ka noana izy dia omenao sakafo; raha te hatory izy dia hampatorianao eo am-pandriana. Aoriana kely dia ho avy haka azy eo ny ray aman-dreniny ary hitondra azy mody.

Ny mpianakavin’ny finoana dia manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanaovana izay ahatsapan’ny ankizy fa anisan’ny mpianakavin’ny finoana izy. Ilain’ny ankizy ny mahatsapa fa tafiditra ao anatin’ny fiainam-piangonana iray manontolo izy. Ilain’izy ireo ny mahatsapa fa ekena izy ary voavela heloka, na dia mandika ny fampianaran’ny fiangonana aza.

Nilaza ilay tantara mampihetsipo i Barry Gane, ny amin’ny antony mbola mahatonga azy hijanona ao ampiangonana amini’izao fotoana izao.8 Voatery nanao izany izy vokatry ny fitiavana tsy misy fepetra avy amin’ireo ray aman-dreny am-panahy sy ny mpianakavin’ny finoana, izay nahita fahafaha-manao tao aminy na dia efa nandika ny fitsipika mifehy ny fiangonana aza izy. Amin’ny maha-tanora azy dia niditra ho anisan’ny fikambanan-jatovo mpanao asa ratsy mpitondra “moto” izy, ary niaina tao anatin’ny fiainana feno faharatsiana, hita kely ao an-trano dia tsy hita indray avy eo. Nony farany, fony izy 19 taona dia nampanantena an’Andriamanitra izy fa raha toa manampy azy sy ilay zatovovavy namany ho tavaoaka tamin’ilay loza nanjo azy ireo Andriamanitra, dia hiverina any am-piangonana izy. Niverina tany tokoa izy, na dia somary nanahirana sy tsy nifanaraka tamin’ny tokony ho izy aza ny endrika ivelany nasehony, volo lava mikorontana, “blouson cuir” mainty, menaka mainty eo amin’ny tanana, ary mitaingina “moto”. Nihevitra izy fa hahazo famaizana avy amin’ny filohan’ny diakona ary avy amin’ny lehiben’ny loholona sy ny mambra. Tsy izany anefa no nitranga fa niarahaba azy tongasoa an-trano indray izy ireo. Toy izany no niantombohan’ny fiovana teo amin’ny fiainan’i Barry.

Tsy hisalasalana fa ny fitiavana tsy misy fepetra avy amin’ny ray aman-drenin’i Barry sy ny fanohanana avy amin’ny fiangonana no fitaovana namerina azy indray tao ampiangonana. Ny fiangonana no fianakaviana tena nahatsapa ny fiarahamonina sy ny fanekena ny maha-izy azy, izay nivoaka avy amin’ny akoran’ny fahatezerana sy ny fizarazarana, ary nanampy azy ahatasapana fa tena mbola tian’Andriamanitra izy.

Eny tokoa, tokony ho fantatry ny mpianakavin’ny finoana fa ny ankizy sy ny tanora dia mila miaina, mifoka rivotra, ary miasa miaraka amin’ny tanjona kendren’ny fiangonana. Ilain’izy ireo ny mandray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana, amin’ny fankalazana, amin’ny tarika madinika, ary amin’ny fiainan’ny mpianakavin’ny finoana iray manontolo. Fony i Mosesy niangavy an’i Farao hamela ny Israelita handao an’i Egypta, ary i Farao kosa niezaka nidrikina hoe “aoka ny lehilahy ihany no andeha. Ny zaza amam-behivavy kosa dia aleo hijanonana ihany,” dia tsy nanaiky izany soso-kevitra izany Andriamanitra. Raha tsy nandeha ireo zaza amam-behivavy dia tsy hisy olona andeha. Tian’Andriamanitra ho anisan’ny mpianakavin’ny finoana ny ankizy. Tokony hampandraisina anjara ao amin’ny fiangonantsika ny ankizy.

Indrisy anefa fa maro amin’ny fiangonana amin’izao fotoana izao no ahitana olon-dehibe ao amin’ilay mpianakavy, izay tsy mahatsapa ho manana ankizy. Avelany tanteraka hokarakarain’ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatry ny Sekoly Sabata izy ireo. Maro ny zaza Kristiana amin’izao fotoana izao no miaina ny fanandramana ao amin’ny fianakaviany ary mahafantatra momba ny fiangonana. Indrisy anefa fa tsy dia mba manana olon-dehibe akaiky azy firy izy ireo, izay azony alaina tahaka sy manoro hevitra azy. Tsy tsapan’izy ireo ny fiarahamonina ara-panahy. Mila miala amin’io fahazarana io isika ary hodidinina olon-dehibe mpikarakara ny ankizy sy ny tanorantsika, izay maneho ny tena fitiavana sy fiahiana azy ireo.

D. HAINO AMAN-JERY. Hita fa izy io dia toa fitaovana mibahan-toerana eo amin’ny fiezahana mampisy fiantraikany amin’ny ankizintsika amin’izao fotoana izao. Toy izao no tatitra avy amin’ny fikarohana nataon’i George Barna: “Eo anivon’ny fiarahamonian Amerikana amin’izao fotoana izao dia hita fa ny fitaovana izay tena mibahan-toerana indrindra amin’ny fampitana hery miasa mangina dia ny mozika moderna, sarimihetsika (anisan’izany ny video sy ny DVD), ny fandaharam-potoana amin’ny fahitalavitra, ny fifandraisan-davitra, ny asa-soratra (mibahan-toerana amin’izany ny boky kanefa tafiditra amin’izany ihany koa ny gazety boly sy ny gazety), ny lalàna sy ny politikam-bahoaka, ary ny ray aman-dreny.”10 Tohizany izany amin’ny filazana hoe: “Raha ara-boajanahary, ny fatran’ny hery miasa mangina dia miovaova arakaraky ny olona, kanefa izany fatra izany dia hita amin’izay miseho eo amin’ny ankizy eo amin’ny sokajin-taona 5 hatramin’ny 18 any Amerika.”11

Ny ankizy dia mianatra ny karazana fomba fijery sy ny filozofian’izao tontolo izao rehetra, avy amin’ny haino aman-jery toy ny fahitalavitra, ny mozika, ny sarimihetsika, indrindra fa ny boky sy ny fifandraisan-davitra. Ny fomba fijery tahaka ny fametrahana ny tena ho ambony noho ny hafa, fanekena ny firaisana ara-nofo mialohan’ny fanambadiana, tanjona mendrika ny fitiavan-karena, ary ny fiafarana no hitsara izay hananana, no tafiditra ao anatin’ny zanatsika isan’andro. Manontany tena sy ray aman-dreny sy ny mpitondra fiangonana matetika hoe ahoana no fomba fampitanahery miasa mangina amin’ny ankizy mba hifidianany ny zava-panahy, raha ny tena marina anefa dia maro ny olona no tsy manana fomba fijery mahatsapa ny fomba hanampiana ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana izao ho tonga mpanaradia an’i Jesosy mazoto miasa sy feno fitiavana.

Tao anatin’ny fikarohana iray hafa teo anivon’ny firenena, izay nataon’ny Tarika Barna, dia hitan’ny mpandinika fa maro ny tanora sy ny olon-dehibe izay tsy manana fomba fijery ara-Baiboly matanjaka.12 Ny fihaikana izany dia ny ahavitan’ny fiangonantsika mampianatra ny ankizintsika hanana fomba fijery ara-Baiboly mivelatra. Ireto efatra ireto no soso-kevitra avy amin’i George Barna:

  1. Tanjona: fantarina ny tanjony eo amin’ny fiainana.

  2. Fomba fijery: hazavaina ny fototry ny fomba fijeriny eo amin’ny fiainana.

  3. Tahiry: manolotra fepetra fototra sy tahiry izay ilain’izy ireo amin’ny fomba fitomboana ara-pahasalamana.

  4. Zava-bita: mamaritra ny zava-bita tamin’ny hetsika manokana, izay ahafahan’izy ireo manana fiainana mamokatra sy manana ny lanjany.

Zava-dehibe ihany koa ny fampifandraisana ireo fomba fijery ireo amin’ny fitsipika ara-Baiboly sy ny fomba fijery an’Andriamanitra ho ilay Mpamorona. Noho izany, ny fiangonana dia mila manohitra ny fomba fijery izay asehon’ny haino aman-jery , amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny ankizy amin’ny andry enin’ny fivelarana amin’ny maha-Kristiana:14

  1. Fanompoam-pivavahana: Niseho tamin’ny fikarohana natao fa maro ny olon-dehibe Kristiana no manana fahalalana kely fotsiny momba ny fanompoam-pivavahana tena izy. Ny ankizy dia mila mpino am-panahy hanampy azy ahita ny hevitry ny fanompoam-pivavahana tena izy ary hananana fifandraisana ety amin’Andriamanitra. Ilain’izy ireo ny mahatakatra fa ny andro tsirairay avy izay hiainany dia fanompoana an’Andriamanitra, fahastapana ny fanatrehan’Andriamanitra miaraka aminy.

  2. Fitoriana ny Filazantsara: ny iraka lehibe nampanaovin’i Jesosy ny mpanaradia Azy dia naao ho an’ny mpino rehetra amin’izao fotoana izao ihany koa: “Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva amabara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19-20). Izany baiko izany dia natao ho an’ny ankizy izay nanaiky an’i Jesosy ho Namana sy Mpamonjy azy ihany koa. Zava-dehibe ny famporisihantsika azy ireny hizara ny finoany an’i Jesosy amin’ny namany.

  3. Fanaovana Izay Mahatonga Ho Mpianatra: ny fanaovana izay mahatonga ny ankizy ho mpianatra dia andraikitra mahaliana sy ahazoana valisoa tokoa, rhefa mijey azy ireo mitombo amin’ny finoana isika. Mila manofana sy manome fitaovana ho azy ireo isika ao anatin’izany dingana izany, sady mitarika azy ireo hanana fahazarana mivavaka isan’andro, mandalina Baiboly, manao asa fanompoana sy mitaoana ny hafa. Tsy vitantsika ny mamela izany ho hay ho azy eny fotsiny, fa ilaintsika ny mitady mpiambina ara-panahy ho an’ny tsara ho an’ny zanatsika.

  4. Fitantanam-piainana: ny fanofanana ny ankizy ahatsapa fa izy ireo dia mpitantana ny fananana rehetra nomen’Andriamanitra dia tokony ho raisina ho andraikitra tsy maintsy atao. Ilain’ny ankizy ny mamantatra ny zavatra azony fehezina: vola, fotoana, fanomezam-pahasoavana, hevitra, fananana, ary fifandraisana, ka tokony ampianarin’ny fiangonana azy ny fomba fitantanana ireo fananana ireo amin’ny fomba mahomby ho an’ny Tompo.

  5. Asa Fanompoana: rehefa mitombo amin’ny fifandraisany amin’i Jesosy ny ankizy dia ilain’izy ireo ny mahita fa ny finoana Kristiana feno fitiavana hananany dia tokony hozarainy amin’ny hafa amin’ny alalan’ny hetsika sy ny asa fanompoana. Aoreno ao amin’ny ankizy ny fahazarana manao asa fanompoana, mba ahatonga izany ho fomba fanao maharitra eo amin’ny fiainanay, hanampiany ny tsy manan-kiahy, ny kilemaina, ary ny mahantra.

  6. Fiarahamonina: andraikitra manana ny lanjany ny fanampiana ny ankizintsika hifandray ara-pihetsehampo sy ara-panahy amin’ny mpianakavin’ny finoana. Ilain’ny ankizy ny fandraisana azy ho anisan’ny mpianakavin’ny finoana, izay sehatra hanekena azy, hampianarana azy, hampaherezana azy, ary hanohanana azy. Ny fifamatorana tahaka izany no ilaina ho fialofana ho azy ireo rehefa tong any fotoana ilàny fananarana sy fanampiana.

D. SEKOLY KRISTIANA. Tsy misy olona afaka mandà ny hery miasa mangina mahery vaika avy amin’ny sekoly kristiana tsara sy ny mpampianatra am-panahy, eo amin’ny ankizy. Ny ankizy izay beazina amin’ireny sekoly ireny dia afaka mahazo fahalalana ara-Baiboly, fitsipika mifehy ny fomba fiaina Kristiana, ary finamanana amin’i Jesosy amin’ny maha-Tompony Azy. Nanohana izany fanambaràna izany i Ellen White fony izy nilaza hoe:

“Ry mpampianatra, ry mpiambina, ampidiro any amin’ny sekoly fihofanana ny zanakareo, izay ahitana hery miasa mangina tahaka ny ao amin’ny sekoly tsara tantana ao an-tokatrano; sekoly izay ahitana mpampianatra manazava amin’izy ireo ny antsipirian-javatra, ary ny tontolo ara-panahy izay hiainana ao dia santatry ny fiainana ho amin’ny fiainana.” Child Guidance, t. 303

Ny mpampianatra izay manana fifandraisana akaiky amin’ny ankizy dia mora mampitahery miasa mangina eo amin’ny fiainan’ireo ankizy ao an-dakilasiny. Tia sy manaja ny mpampianatra tahaka izany ny ankizy, ary mandray izay rehetra ambaran’ilay mpampianatra. Ny fironan’ny ankizy ho amin’ny zava-panahy dia azo tanterahana ao anatin’ny tontolo ahitana fifandraidana tsara eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Niombon-kevitra tanteraka tamin’izany i Ellen White fony izy nilaza hoe:

“Koa dia misokatra ho an’ireo izay nekena ho mpampianatra ao amin’ny sekolintsika ny saha fiasana sy fambolena, hamafaznaa ny voa sy hijinjana ny voa efa masaka. Inona no moa no mety ahazoana fahafahampo mihoatra noho ny fiaraha-miasa amin’Andriamanitra eo amin’ny fanabeazana sy fanofanana ny ankizy sy ny tanora ho tia an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny?” Christian Education, t. 155

Izao no nambaran’ny zanako lahimatoa indray andro, izay ao amin’ny kilasy fahatelo: “Neny o, nasain’ny mpampianatra ahy ato an-trano hanatrika ny tetikasa Fizaràna Sakafo amin’ny Fiarakodia izay karakarainy aho, ho an’ireo olon izay tsy mba afaka mivoaka ny trano. Mahafinaritra ny fahitako izany! Afaka manampy ny hafa isika. Efa nisoratra anarana ho amin’izany aho vao niera taminao. Tsy maninona ve?”

“Tsy maninona ry Terrence a,” hoy aho tamin-kafaliana. “Mino aho fa ho tianao izany.”

“Mino fa ho tiako tokoa izany,” hoy i Terrence namaly sady nazoto aok’izany. “Matoky ny mpampianatro aho. Fantany izay tsara indrindra ry neny.”

Eny tokoa, ny akon’ny mpampianatra mahafinaritra Kristiana dia mety hihoatra lavitr’izay zavatra heverintsika, araka ny soso-kevitra nomen’i Ellen G.White manao hoe:

“Raha manana ny fitiavan’i Kristy mitoetra ao ampony ny mpampianatra, tahaka ny fofo-manitra, santatry ny fiainana ho amin’ny fiainana, dia azony atao ny mampifamatotra ny ankizy ahiany amin’ny tenany. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy no ahatonga azy ho fitaovana eo an-tanan’Andriamanitra, hanazava, hanandratra, hampahery, ary hanampy amin’ny fanadiovana ny tempolin’ny fanahy ho afaka amin’ny fahalotoany rehetra, mandrapanovan’ny fahasoavan’i Kristy ilay toetra, ary ahitana ny endrik’Andriamanitra miseho eo amin’ilay fanahy.” Counsels to Teachers, Parents, and Students, t. 197.

2010-07-19 18:44 Читать похожую статью
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • Контрольная работа
  • © Помощь студентам
    Образовательные документы для студентов.